Ô mitsangana mijoroa!! - Manitra Andriaharifara

Manitra Andriaharifara

ô Mitsangana, mijoroa, mihazavà


1.
ô Mitsangana, mijoroa, mihazavà
Hamiratra, mba hanazava ny aizina
Ho fanasina,ho fanilo koa
Fitarik’andro ny maraina vao

2.
ô Mitsangana, mijoroa, mitoria
Ny teny soa no torio sy ambarao
Teny velona, sy mamelona
Tsy levona fa mandrakizay

Réf.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana
Miezaha hitady ny fahahamarinana
Araka ny toem-panahin’Andriamanitra
Hazòny ny fiainana mandrakizay