Omeo fo mino - Haendel

Haendel

Lascia ch'io pianga

https://soundcloud.com/chorale-fiderana/omeo-fo-mino


Ray ô, tariho sy hamasino
Mba sakambino ‘zahay zanakao
Hianao ry Rainay no antenainay hambomba anay
Omeo fo mino tsy hanadino
Anao ry Rainay, ho mandrakizay

Jeso o! Mpamonjy, ry mofon’aina
Ô mba vokiso, ny fanahinay
Fa manantena ny famonjena hatolotrao
Omeo fo mino tsy hanadino
Anao Mpamonjy, ho mandrakizay

Ô ry Fanahy, fanahin’ny Ray
Bitsibitsiho ny fanahinay
Ô mba tsilovy, dia mba arovy ‘Zao lalanay
Omeo fo mino tsy hanadino
Anao Fanahy, ho mandrakizay