Somary bà gasigasy, toy ny hiragasy. Tandrovana ihany ny mahahira Chorale sy Hiram-piangonana azy fa isy hiragasy tsy akory.
1-Fa raha vao nangiran-dratsy Isan’Andininy:
Dia niainga Ramadalenina Fa taiza ny Tompo, hoy ianao
Mba hijery ny fasan-dRaJesô, No tsy hitan-dRamadalenina
RaJesoa, RaJesô Any ho'aho.
Kanefa dia tsy nahita Fa nahoana re (in-3),
Tsy nahita na inona na inona Fa inona no antony? Dia izao:
Fa nisokatra ny fasan-dRaJesô, Raha nitsangana re ny Tompo
RaJesoa, RaJesô Ho anao,
Ny antony dia izao, Hamonjy ny olombelona rehetra!
Dia izao hoy ireo anjely:
Efa nitsangana re RaKiristy, RaKristy, RaKristy,
Ary ny andro fahatelo
No natokany ho amin’izany
Nolazain’ireo mpaminany.
2-Fahagagana ny an’ireo
Nahare sy nahafantatra
Fa nitsangana, hono, RaJesô, RaJesoa, RaJesô
Lasa izy nidodododo
Nihazakazaka hatrany am-pasana
Mba hijery ny fasan-dRaKiristy, RaKristy, RaKristy.
Fa ry Petera, Ramadalenina
Vavolombelona tsy azo afenina,
Ny nitsanganan’ny Tompo RaJesô, RaJesoa, RaJesô
Izy Tompo efa nanambara Izao:
{duo: soprano&tenor} voarakitra ho tantara!
Resy ny fasana isika voavonjy, {solo vehivavy: izay mino Azy} mandrakizay,
{solo lehilahy: ho any amin’ny Ray}
any amin-dRay.