SOA IHANY - Jimmy Lala / Edwin O. Excell

Jimmy Lala / Edwin O. Excell

Ankinina amin’ny Telen’ny Amboarampeo (T.A.) (Chef de Chœur) ny hafainganan-kira araka izay hitarihan’ny fihetsem-pony. Tsy miadana kanefa tsy haingana be koa.


1- Nanonofy aho indray alina
Fa namakivaky lalan-tsarotra,
Lalana nandratra, nampamoifo,
Tena trotraka sy ketraka ny fo.

Fiverenana:
(1&2) Soa ihany aloha fa teo Jesoa
(3&4) (Soa fa teo i Jesoa / Teo tokoa Jesoa)
(1&2) Niara-dia tamiko tokoa,
(3&4) (Tsy mandao i Jesoa / Miaradia Jesoa)
(1&2) Soa ihany, soa ihany
(3&4) (Soa fa teo, soa ihany / Soa ihany)
Fitahiana be ange izany!

2-Ny androntsika ety dia tsy misosa
Fa jereo ny olana miavosa,
Ny sasany kely ny hafa goavam-be
Tena mampitsoaka nefa ho aiza re!

3- Na izany aza mba jereo ny soa,
Maro be fa toa tsy hita, tsy ao ny loha
Koa isao tsirairay, andramo ange:
Ho gaga tokoa ianao fa be dia be.

4- Ny olana izay tonga mampiaka-peo
Fa Jesoa no tsy mandao mitoetra eo,
Koa raha sendra mba ilay manahiahy
Dia isao ny fitahiana ka ho sahy.