Do dia D
Mitovy feo amin'ny "Ny loza mpisy"
Tanana kely ankiray indro efa resin-tory
Tao anatin'ny alina mangina
Ary tamin'izay tsy mba fantany akory
Fa hirotsaka ny Fitahina
Tao Betlehema, tanin'ny Joda, nisehoan'Ilay Mesia
Tao Betlehema no teraka Jesoa
Mpamonjy antsika, Mpihahy sy Mpanavotra
Tao Betlehema, tanin'ny Joda, Jesoa
Ireo tranom-bahiny tsy mba nety nandray
ireo olona tonga tany re
Tamin'iny alina iny, tao am-pahitra iray
Teraka Ilay Mpanjaka Lehibe
Tonga Jesosy Tompo tamim-panetre-tena
Mba hamonjy ireo olona izay very
Meteza re mba hanompo sy handray Famonjena
Ho voninahitry ny Ray irery