Tariho ho amin'ny fahamarinanao - Gaby RAZAKATSARA

Gaby RAZAKATSARA

Do dia F 4/4 Milanto


Nitondra fahavelomana ao am-poko
Ny fitiavanao ry Jeso Tompo
Noho Ianao voaheloka nijaly sy latsa-drà nizaka fahotàna
Mba sitrako ny ho isan’ny Anao

Ho mpankato sy tia ny teninao
Koa raiso sy arovy tsy ho kivy
Ry Tokana sy Marina ao ambony

Tariho ho amin’ny fahamarinanao
Jehovah Tompon’ny maro
Omeo fanahy mazoto sy vonona hiroso
Hizara ny Fitiavanao
Ho ren’ izao tontolo izao

Handray famindrampo'zay tia sy mino
Ho mendrika tokoa ny famonjena
Noho ilay voasatro-tsilo nisolovoina sy nanetry tena