Tompo o... Meteza - RAKOTO - NIRIANA TSIRY HARIRAVO

RAKOTO - NIRIANA TSIRY HARIRAVO

Do = Bb , 4/4 (milamina) / RAKOTO - NIRIANA TSIRY HARIRAVO
Ny Tompo irery ihany no afaka hanova antsika ho @ ny fahatsaràna rehetra !....ka hahatonga antsika hahay sy hamantatra ny sitrapon'Andriamanitra mitondra antsika ho a@ ny fiainana.


1– Ry Tompo ô! mitady Anao ny foko
maniry indrindra anao « Fototr’aina »
mandrakotra ahy ny fahotako
mitady hamboly haizina ato anaty
ka mangetaheta Anao ny fo sy fanahy
Jeso, meteza Ianao hanafaka ahy.

2– Ry Tompo ô! tsy mba miafina Aminao
ny rendrarendrako sy ny hadàlako
Ifonako tokoa izany
fa na hiery aza aho, ho hitanao
Jeso menatra aho ka ny hany ambarako :
« Jeso, meteza Ianao handio ahy . »

3– Ry Tompo ô! aza avela ho variana aho
ka hanalavitr’ilay Paradisa
tefeo mba tsy hanamarin - tena
fa kosa mba hahay hanetry tena
hahazoako manaiky tsy miambatrambatra
fa Ianao Jeso no hany Mpanapaka .

(miverina ) tefeo mba tsy hanamarin - tena
fa kosa mba hahay hanetry tena
hahazoako manaiky tsy miambatrambatra
fa Ianao Jeso no hany Mpanapaka .