Tompo ô ! Miandrandra anao - Daniel RANOASON

Daniel RANOASON

Do dia D 4/4

Choralie 2002 Nantes


Tompo ô ! Miandrandra anao izahay
Be ny ahiahy mahazo anay aty
Ô Jereo ka iaraho Jeso ô ny fanahy
Masinao mba hiarao ny fianianay Tompo ô

Tompo ô henoy ny vavakay Jeso
Sy ny fangatahinay Jeso
Ny fitiavanay anay Jeso
Asehoy eo imasonay ka iraho

Be ny zavatra manimba anay
Nefa matoky ny fitiavanao izahay
Ka iraho Jeso ô ny Fanahy Masinao
Hampahery ny Fiangonanao Tompo ô

Tompo ô aoka hovimbininao
Ity firenena ity ny tanidrazanay ô tahio
Ka iraho Jeso ô ny Fanahy Masinao
Mba hitahy ny firenenay Tompo ô