Mivezivezy etsy sy eroa ny olombelona, misamboaravoara ny adim-piainana, koa mitodia any amin'i Jesoa sy ny fitiavany. Dia aoka hifaly sy hitory lalandava na aiza na aiza ny Fitiavany fa ny rany efa nalatsany hamonjy antsika.
1-Naniasia ka very dia, Tsy mba nandre an'i Jesoa efa elabe.
Nieloelo fa malahelo dia notolorany fitia.
2-Misamboaravoara hosafotra aza, Eo no antsoy i Jesoa, Izy tsy hahafoy,
Fahasoavana monja, Tsy lalàna mafonja no hidirana any an-danitra mandrakizay.
3-Lazao ambarao etsy sy eroa, Dia matokia an'i Jesoa fa Izy tia.
Aza hadinoina mba hotsaroana Fa ny rany nalatsaka hamonjy anao.
4- (araho ny toro-marika eo amin'ny Solfa)
Fiverenana:
Hiraiko lalandava, Deraiko eto am-bava 'Lay Mpanjaka;
Nafoiny ny ainy tao Kalvary, Hananako fiainana soa, Fiainana doria.
Faly aho miteny, Faly aho mifaly,
Ombieny ombieny tretrika satria:
Ianao tsy irery, tsy irery ianao, Tsy tiany ho very, Izy hamonjy anao.
Sakaizako, Mpamonjiko, Kristy Jesoa sy Tompoko.
Toriako eran-tany ny Fitiavany.