. do= C
. tempo 88
. Structure : 
PRELUDE
AND 1
REFRAIN
INTERLUDE
AND 2
REFRAIN
INTERLUDE
AND 3
REFRAIN
REFRAIN
TRANO FIVAVAHANA
1- Fa masina tokoa Andriamanitra
e, fiandrianany irony lanitra 
ary fitoeran - tongony ny tany
koa ankehitriny Izy manontany (hoe ) :
        REF1:  " Ho trano manao ahoana re
                no mba hataonareo ho ahy ?
                moa ve ho trano 'zay hivavahana
        sa zohy fieren'ny jiolahy. "
2- Ry Zanaky ny fanantenàna
hananganana ny tranon'ny Tompo
andeha miorena tsara  ary aza miova 
fa lanitra ny antsika no lova . 
        REF 2 :   " Ka ho trano manao ahoana re
               no mba hataonareo ho ahy ?
               moa ve ho trano 'zay hivavahana
       sa zohy fieren'ny jiolahy ?  "
3- Tsy trano nataon - tanana no ilainy
fa ny fonao mihitsy re no iriany
Izay mendrika honenan'ny Tsitoha, 
Fa io no tena lapasoa tokoa .
       REF 3 :   " Ka ho trano manao ahoana re
              no mba hataonareo ho ahy ?
              moa ve ho trano 'zay hivavahana
      sa zohy fieren'ny jiolahy ? "
> > >TONONY : Abel sy Tsito > FEONY SY SOLFA : Rakoto - Niriana Tsiry Hariravo