Tsaroanao va re ? - SAD Ramarokoto

SAD Ramarokoto

Do dia Bb
ChoeurUni XII - Antoko Mpihira FPMA


Tsaroanao va re ? 'Lay tena fitia
Fa Jesoa Tompo lehibe efa tonga taty
Hanafaka anao, hamela ny helokao
Hitondra fifaliana vao

Koa asandrato re ny tsanta marobe
Ho fiderana, fanajana, 'lay Mpanjaka soa
Ny voninahitra sy ny fisaorana, ny saotra koa
Omeo ny Ray sy Zanaka, Fanahy Masina
Derao ny Tomponao, Hobia ankalazao
Isaory ny Tsitoha ka mifalia tokoa
Derao
Ny voninahitra sy ny fisaorana, ny saotra koa
Omeo ny Ray sy Zanaka, Fanahy Masina
Ho mandrakizay ny fanjakan'Andriamanitra
Ny saotra dera ny laza asandrato ho mandrakizay