Vavaka mihambahamba - SLKAF

SLKAF

Do dia G

Vidéo :
https://www.youtube.com/watch?v=cqEqXS0IMWk


Vavaka mihambahamba ny sasany
Tsy mba tsaroany ny andro alahady
Miasa tany, mibalady, mandray angady
Ka izany ve no mivavaka?

Ref :
Tsy izany velively arô mivavaka
Vakio Soratra Masina ô
Tsy misy arô mahita tavan'i Jesosy Tompo
Raha tsy amin'ny finoana

Vavaka mihambahamba ny sasany
Tsy sitraky ny fony mandeha leglisy
Miaraka @ namany no tena anton-diany
Ka izany ve no mivavaka?

Vavaka mihambahamba ny sasany
Mamonjy fivoriana sy fandalinana
Mijery tovolahy sy tovovavy mipozipozy
Kristianina ve no anarany ?