Zany ny voadiko - Manitra Andriaharifara

Manitra Andriaharifara

Zany ny voadiko


1.
Misaotra Anao aho, mankasitraka Anao aho
Ry Jesosy Tompo malala ô
Feno fitahiana aho, feno fiadanan'aho
Ampy hoahy ny fahasoavanao

2.
Midera Anao aho, mankalaza Anao aho
Ry Jesosy Tompo malala ô
Na fifaliana, na koa fahoriana
Ampy hoahy ny fitiavanao

Réf.
Zany ny voadiko Aminao Jesôsy ô
Hira sy vavaka ao am-po
Raiso re (2)
Mba ho hanitra ankasitrahanao