F'ANGAHA - Jimmy Lala

Jimmy Lala

Afaka ampidinina an-tsasa-peo (ho Dô dia C) ny fanalahidy raha ambony loatra ny feo voalohany.


1-
F'angaha (ahoana) atao mandeha ho azy,
Tsy ki-(f'angaha) lalao na vazivazy;
Ny fanarahana ny Tompo
Fadio ny fiainana maloto;
F'angaha (dia hoe) fiseho sy dera laza,
Na vo-(na vo-) la , voninahitra aza
Ny maika no aoka dia hambara:
Fanahy mila Filazantsara.

2-
F'angaha (akia) fitia mba te hivory,
Ho fa-(ho fa-) nalana sorisory;
Na koa mba te hijerijery,
Tsy aleo ve any Analakely;
Fa ny e-(hatre-) to fandinihan-tena,
Mika (mika-) tsaka ny famonjena
Finoana ny ran' i Jesoa,
'Zay ihany koa no mahasoa

3-
Ny an-(tsika) drontsika anie voafetra
Koa a-(koa a-) za mba mitaredretra;
Fa tsisy famerenan-taona;
Raha tsy voaantso dia mangoana,
Tsy i-(hoe hoe) zay be Tompoko, Tompo,
Na dia mafana fo manompo
No tsara, fa zavatra iray:
Manao ny sitrapon' ny Ray.

Fiverenana:
Izaho aloha tsy te hahalala
Izay hahazo an'i malala;
Ny adidiko dia ny miteny,
Milaza ihany ombieny ombieny:
(Fa) tsy sitraky ny Ray Tsitoha
Ny fanompoana tompo roa.