FITIAVA-MAHAGAGA - Jimmy Lala, Charles Wesley, Thomas Campbell

Jimmy Lala, Charles Wesley, Thomas Campbell

Ny refy farany 31bis eo amin’ny solfa dia hiraina farany indrindra rehefa vita ny andininy fahadimy.


1- Mba afaka manana anjara aho ve
Amin’ny ran’i Jesoa izay nitete,
Maty ho ahy, nijaly tokoa,
Eny, mba ahazoako fiainan-tsoa.
Fitiavana lehibe sy ny famindrampo:
Fa maty Hianao nisolo voina ny toerako.

Fiverenana: Fitiava-mahagaga ity
(Fitiavana mahagaga)
Fa maty ho ahy i Jesoa Kristy
(Fa maty ho ahy Jesoa Kristy)

2- Zava-miafina indro niseho,
Fa maty voahombo tsy meloka,
Gina ny lanitra tsy nisy feo,
Ny mpianany koa nihemotra.
Aoka ny tany kosa hitsaoka Azy izao
Tsy mendrika tsy akory nefa izaho nodiovinao.

3- Nilaozany ny lapa tany ambony.
Fa he! mandrakizay ny famindrampony
Nohadinoiny ny Tenany
Teto an-tany no fonenany.
Izay mino an’i Jesoa dia ho velona hatrary
Andriamanitra nanavotra ahy teo Kalvary

4- Ny fahasoavany nirotsaka
Tamin’ilay fanahy saron’aizim-be;
Indro ny mazava niposaka;
Nanaitra ahy hifoha, vonona ny handeha.
Tapaka ny gadra nanandevo hatrizay,
Nitsangana aho, hanaraka Anao mandrakizay.

5- Tsy misy hitsara hanameloka ahy
Navelany ny fahotako,
Tsy noho ny asa na ny heriko,
F’izaho mino Azy Mpamonjiko.
Hanatona tsy amin’ahiahy ny lanitra
Ahazoako ny satro-boninahitra!