Milantolanto. Rehefa vita ny andininy fahatelo dia averina indroa ny fiverenana ary ampiakarina antsasam-peo ny tiona amin'ny fiverenany fanindroany. Raha avo loatra ny dô dia F dia azo ahidina ho dô dia E
1. Efa niandry anao ny Tompontsika dia Jesoa
Sy nividy koa ny ho avintsika;
Ka nahoana no hodian-tsy fantatra izao
Ny fitiavany nomeny anao;
2. Aza atao fomba fotsiny ny vavakao
Fa manjary tsy henoin' ny Tompo:
Dia ny heloky ny hafa koa mba avelao
Dia avelan' i Jesoa ny anao;
3. Aza miandry ny andro hariva vao manatona
'Ndrao tsy hisy intsony ny ora hodiana;
Dieny misy ny fotoana tsy hanenenanao
Ny mandray ny Tompo anio izao;
Fiverenana
Jesoa Tompo ô, iraho ny Fanahinao
Hanazava, hampahery ary hanjakao;
Aza avela halahelo fa ny ranao soa
Hany fifaliako !