L’aperçu de la partition n’a pas pu être affiché.
Ouvrir le PDFHira Fanao amin’ny fotoana Fandraisana ho Mpandray na Kominio. Azo atao ho famaranana ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ko.
Fiverenana: Manaiky marina sy mino aho
Fa i Jesoa no Tompoko sy Mpamonjy (ahy)
Voavelany ny heloko ary azoko ny famonjena!
1- Taloha aho dia naniasia, variana tamin’izao tontolo izao
Tsy nahatsiaro Anao ry Jesoa: nanara-tsitrapo
2- Taorian’izay dia tsapako fa misy banga re ny fiainako
Indrindra raha misy manjo: lavitra Anao Jesoa!
3- Raiso aho Tompo mba ho Anao: ny fo, ny saina ary indrindra ny fanahy;
Ka tsy handao Anao sanatria, mandrakizay doria
4- Ka raha tapitra ny androko, dia hiandrandra ho any an-danitra
Sambatra: fifaliam-be, mbola hihira hoe: